|
|
|||
|
Ny fitaizana azy Ampahafantaro ny hafa ity site ity. Azafady klikeo ny logo eto ambany Raha hitanao fa misy diso ny fanazavana sasany omenay dia azafady mba alefaso aty aminay ny fanintsiana miaraka amin'ny porofo manamarina izany, mba hanatsarana ny site-tsika, fa hahitsinay farak'izay haingana izany mba tsy hanoroana vohona ny hafa, satria izahay dia tsy manam-pahaizana manokana momban'ny alika akory fa olona tia alika fotsiny ary te hifanakalo fahalalana aminao. Misaotra tompoko Ao izahay no manara-maso sy mitsabo ny alikanay |
|
DOGUE ALLEMAND Ny dogue allemand dia taranak'alika mpihaza fahiny nantsoina hoe "Bullenbeisser" sy karazana Matin sy levrier anglisy. Na tsy nitovy loko sy halebiazana aza ny taranak'izy ireo dia nitovy karazana ihany. Nisy maromaro izy tamin'izany ary nantsoina hoe: Dogue d'Ulm, Dogue anglais, Hatzrude, Saupacker ary Grand dogue. Tamin'ny taona 1878 tany Berlin (Allemagne), no nisy mpiompy 7 nanapakevitra fa hamorona karazana'alika allemand vaovao ary mianga amin'ireo karazana voatanisa teo ambony ireo. Nanampy azy ireo tamin'izany moa ny mpitsara alika iray sy ny Dr Bodinus. Tamin'ny taona 1880 kosa no naseho vahoaka voalohany ny fenitry ny alika natsoina hoe Dogue Allemand. Avy eo tamin'ny taona 1888 dia nampiandraiketina ny fikambanana "Deutscher Doggen Club e.v" ny fitantanana ilay alika vaovao, ka ilay fenitra tany am-boalohany dia voaovan-dry zareo imbetsaka. Ankehitriny dia ny fenitra napetraky ny FCI (Federation Cynologique International) izao no arahina, kanefa dia mbola heverina fa mbola hiova indray! Azo antsoina hoe Grand Danois, German Mastiff, Great Danes koa ny Dogue allemand.
|
Bullenbeisser, razamben'ny Dogue allemand
Ny dogue allemand ankehitriny
Raha te hividy na hivarotra na hampanaraka na hanome fotsiny na koa te hampidera fotsiny ny alikanao ianao. Na koa mitady olona afaka ny hikarakara azy rehefa tsy ho eo ianao, na te hanao izany asa izany ianao dia mankanesa eto |
|
|
|||