XENA'N'TEE

Ny Alikanay sy ny tontolony

Tel 034.01.117.99 / 032.45.332.90 / 033.14.239.46 / 033.02.622.81

Ampatsakana / Itaosy

Antananarivo Madagascar

                                                                                       xena.amstaff@yahoo.com

 

                   

                  

Ny alika

Ny Amstaff

Ny Dogue allemand

Ny firafiny

Ny lokony

Ny fampanarahana azy

Ny toetrany

Ny fitaizana azy

Fahasalama sy sakafo

Fitandremana tokony atao

FORUM

Ampahafantaro ny hafa ity site ity. Azafady klikeo ny logo eto ambany

 

Raha hitanao fa misy diso ny fanazavana sasany omenay dia azafady mba alefaso aty aminay ny fanintsiana miaraka amin'ny porofo manamarina izany, mba hanatsarana ny site-tsika, fa hahitsinay farak'izay haingana izany mba tsy hanoroana vohona ny hafa, satria izahay dia tsy manam-pahaizana manokana momban'ny alika akory fa olona tia alika fotsiny ary te hifanakalo fahalalana aminao.

Misaotra tompoko

 

 Ao izahay no manara-maso sy mitsabo ny alikanay

 

 

Raha te hividy na hivarotra na hampanaraka na hanome fotsiny na koa te hampidera fotsiny ny alikanao ianao. Na koa mitady olona afaka ny hikarakara azy rehefa tsy ho eo ianao, na te hanao izany asa izany ianao dia mankanesa eto

 

NY FAMPANARAHANA AZY

Anisan'ny tena sarotra ny mampanaraka ny dogue allemand nohon'ny fenitra mahakasika ny lokony, ankoatran'ny 1ere chaleur-ny eo ho eo amin'ny faha-9-18 volany eo, kanefa tsy tsara ampanarahana raha tsy efa feno 2 taona. Raha tsy mamoaka ireo fenitra ireo anefa ny taranany dia tsy midika mihintsy fa tsy pure ilay race! Ohatra amin'izany ny loko Merle, izay mety hivoaka indrindra fa ho an'ny harlequin izay mety hiteraka koa ny atao hoe Albinos, io dia dogue allemand tena fotsy be ary zara raha misy, na tsy misy mihintsy pentina mainty! Na izany aza anefa dia indreto misy torolalana kely mahakasika ny fampanarahana:

Blanco (albinos)- Fisaorana ho an'i Vola Boutique Isoraka

Ny samy mavo dia tsy mamoaka afa-tsy mavo, indraindray anefa dia misy bringe izay tsy dia miseho loatra, satria manify loatra ireo tsipika ka lasa tahakan'ny hoe mavo ilay alika! raha izay no mitranga dia mety hisy bringe ny zanany.

Ny loko mety tsy hanaram-penitra ho azo kosa dia ny mavo misy tasy fotsy, na tsy misy ilay masque mainty, na misy ihany fa saingy miloko manga na volon-tsokla, na koa merle.

Ny samy bringe na bringe sy mavo kosa dia tsy mamoaka afa-tsy bringe sy mavo. ny loko tsy manaram-penitra kosa dia mitovy amin'ny samy mavo ihany, ary na ny bringe aza mety tsy hisy masque koa, na misy ihany fa masque bringee ihany!

Ny samy manga kosa dia tsy mamoaka afa-tsy manga. Ny loko tsy manaram-penitra mety ho azo kosa dia ny manga misy tasitasy mavo mety hiendrika bringe, na feno tasy fotsy na manga matsatso!Mety hisy ihany koa anefa ny merle.

Miki - Fisaorana ho an'i M. Ndretsa

Ny mainty sy ny manga kosa dia tsy mamoaka afa-tsy mainty sy manga, ary mety ho manga daholo anefa raha efa taranaka manga ilay mainty.

Raha ampiarahana amin'ny mavo na bringe kosa ny manga na mainty taranaka manga, dia mety hiteraka alika misy masque manga na bringe saingy manga no lokon'ny tsipika, na koa hisy tasy fotsy izay loko tsy maram-penitra koa! Noho izany dia tsy dia amporisihina ny fampiarahana io karazana mainty io sy ny mavo ary bringe!

Ny samy mainty kosa dia tsy mamokatra afa-tsy mainty. Ny maintsy sy manga kosa dia mamokatra mainty sy manga ihany koa. Ny mainty kosa , raha tsy taranaka manga, no ampiarahana amin'ny mavo na bringe dia samy ahitana ireo loko ireo avokoa ny taranany!

Ny harlequin kosa no tena sarotra indrindra, tsy maintsy misy tsy manara-penitra foana ny taranany, ary anisan'ny betsaka indrindra amin'izany ny merle sy ny albinos (fotsy be zara raha misy, na tsy misy mainty mihintsy!).Na merle anefa na harlequin dia ny maintsy manteau ihany aloha no mety hampihena kely ireo olana ireo.

Ny olana mateti-pitranga eo amin'ny merle sy ny harlequin ary ny albinos dia ny mety hanana'izy ireo taranaka marenindrenina, na pahana.

Raha samy harlequin no ampiarahana dia 25% avy ny isan'ny harlequin, merle, fotsy ary mainty. Raha harlequin sy mainty kosa dia 50% mainty ary 25% avy ny merle sy harlequin.Ary ny mainty antsoina hoe manteau na boston no tena tsara. Raha harlequin sy merle kosa dia mitovy amin'ny fampiarahana ny samy harlequin ihany, saingy tsara kokoa ny vokatra raha boston merle no ampiasaina, izany hoe merle ihany fa misy collier fotsy.

Ny tena sarotra indrindra kosa dia ny albinos sy ny mainty, saingy io no tena azo hiafina indrindra!

Izany rehetra izany anefa tsy nidika mihintsy fa ratsy ireo alika tsy manaram-penitra ireo, miankina amin'ny fitiavanao azy foana anefa izany! Tadidio koa anefa fa ireo fenitra tokony arahana ireo dia ahafahanao mandray anjara amin'ny fampisehoana na fifaninanana isan-karazany, ankoatran'ny fananana pedegree, satria ireo alika tsy manaram-penitra ireo dia mety ahazo pedegree avokoa, saingy tsy afaka mandray anjara raha misy fampisehoana na fifaninana! Raha tsy miheritreritra ny anao izany anefa ianao dia azonao atao foana ny mitia sy mikolokolo azy ireny, ary hahafatifaty sy hafinaritra foana izy rehefa tianao. Izay tiana hono mitombo tarehy e!

 

Eto manoratra ho anay