XENA & TEE

Ny Alikanay sy ny tontolony

Tel 034.01.117.99 / 032.45.332.90 / 033.14.239.46 / 033.02.622.81

Ampatsakana / Itaosy

Antananarivo Madagascar

                                      

 

                   

                  

Ny alika

Ny Amstaff/Pitbull

Ny Dogue allemand

Ny firafiny

Ny lokony

Ny fampanarahana azy

Ny toetrany

Ny fitaizana azy

Fahasalama sy sakafo

Fitandremana tokony atao

FORUM

Ampahafantaro ny hafa ity site ity. Azafady klikeo ny logo eto ambany

 

Raha hitanao fa misy diso ny fanazavana sasany omenay dia azafady mba alefaso aty aminay ny fanintsiana miaraka amin'ny porofo manamarina izany, mba hanatsarana ny site-tsika, fa hahitsinay farak'izay haingana izany mba tsy hanoroana vohona ny hafa, satria izahay dia tsy manam-pahaizana manokana momban'ny alika akory fa olona tia alika fotsiny ary te hifanakalo fahalalana aminao.

Misaotra tompoko

 

 Ao izahay no manara-maso sy mitsabo ny alikanay

 

Raha te hividy na hivarotra na hampanaraka na hanome fotsiny na koa te hampidera fotsiny ny alikanao ianao. Na koa mitady olona afaka ny hikarakara azy rehefa tsy ho eo ianao, na te hanao izany asa izany ianao dia mankanesa eto

NY LOKONY

Misy sokajiny 3 izay ahitana loko 5 ny tena lokony ofisialy izay eken'ny SCC (Service Central Canin) sy ny FCI (Federation Cynologique International) dia ireto avy: Fauve sy Bringe, Noire sy Arlequin ary Bleu. Ankoatran'ireo anefa dia misy loko tsy ekena kanefa tsy midika hoe tsy race pure akory dia ny Merle.

NY FAUVE SY NY BRINGE

         

              

 

Dia miloko mavo tanora ka hatramin'ny mavo antitra, ny misy masque mainty no tena tsara, tsy dia iriana loatra ny loko fotsy eo amin'ny tratra na eo amin'ny tongotra. Toy izay ihany ny Bringe fa saingy mitsipitsipika mainty manaraka ny taolan-tratra ary mazava tsara.

NY  ARLEQUIN SY NOIRE

Ny arlequin dia fotsy botsiaka toy ny ronono ary misy pentina mainty be voafaritra tsara toy io amin'ny sary io,tsy iriana ny pentina volon-davenona na hafa na dia kely fotsiny aza!

Ny mainty dia tena mainty be, ary ekena ny marika fotsy manodidina ny vatany, antsoina hoe Manteau, ary toy izany koa ny rambo, vava, tratra na ny kibo, toy ireo sary ireo

                                

NY BLEU

Dia miloko manga antitra be somary manopy mainty mangirana, ny marika fotsy eo amin'ny tratra na ny tongotra dia ekena

Ireo 5 voatanisa tetsy ambony ireo no loko ofisialin'ny Dogue allemand, izany hoe eken'ny SCC sy ny FCI. Misy loko hafa anefa izay tsy eken'izy ireo raha entina anehoana ny Dogue allemand dia loko antsoina hoe merle

 

NY MERLE

Loko faha-6 no hiantsoana azy ary fahiny dia novonoin'ireo mpiompy avy hatrany izy ireny raha vao teraka, kanefa ankehitriny dia efa manao fikarohana momba io ry zareo any am-pita mba hampidirana io loko io ho ofisialy. Fampivadiana ny samy harlequin no mamoaka merle, kanefa ireo alika efa nanana razam-be merle dia mety hiteraka izany koa na dia hafa loko aza! Tsy tian'ireo mpiompy taloha io loko io satria mahery loatra ka manaranaka be, mamoaka merle foana ny merle, toy izany koa ny harlequin. Tsy tafiditra ao anatin'ny fenitra tsy azo ekena anefa ny merle, ka afaka mahazo pedegree foana, saingy kosa tsy afaka mandray anjara, raha misy fifaninanana na fampisehoana.

 

Eto manoratra ho anay