XENA & TEE

Ny Alikanay sy ny tontolony

Tel 034.01.117.99 / 032.45.332.90 / 033.14.239.46 /033.02.622.81

Ampatsakana / Itaosy

Antananarivo Madagascar

                                      

 

                   

                  

Ny alika

Ny Amstaff/Pitbull

Ny Dogue allemand

Ny firafiny

Ny lokony

Ny fampanarahana azy

Ny toetrany

Ny fitaizana azy

Fahasalama sy sakafo

Fitandremana tokony atao

FORUM

Ampahafantaro ny hafa ity site ity. Azafady klikeo ny logo eto ambany

 

Raha hitanao fa misy diso ny fanazavana sasany omenay dia azafady mba alefaso aty aminay ny fanintsiana miaraka amin'ny porofo manamarina izany, mba hanatsarana ny site-tsika, fa hahitsinay farak'izay haingana izany mba tsy hanoroana vohona ny hafa, satria izahay dia tsy manam-pahaizana manokana momban'ny alika akory fa olona tia alika fotsiny ary te hifanakalo fahalalana aminao.

Misaotra tompoko

 

Ao izahay no manara-maso sy mitsabo ny alikanay

 

Raha te hividy na hivarotra na hampanaraka na hanome fotsiny na koa te hampidera fotsiny ny alikanao ianao. Na koa mitady olona afaka ny hikarakara azy rehefa tsy ho eo ianao, na te hanao izany asa izany ianao dia mankanesa eto

NY FIRAFINY

Maharitra 13 volana ny fitomboany haavo ary mety hatramin'ny 24 volana ny fitomboan'ny vatany. Tokony hilanja eo ho eo amin'ny 50-90 kg eo ny lanjany rehefa mitsahatra ny fitomboany ary tokony hahatratra eo amin'ny 72cm ho an'ny vavy ary 80cm ho an'ny lahy farafaha-keliny, ka mety hahatratra 90 cm eo ny hahavony ho an'ny roa tonta eo amin'ny faha 13 volany, ny fandrefesana azy dia miala eo amin'ny tongony anoloana miakatra hatreo amin'ny vozony. Anisan'ny alika lehibe indindra ny Dogue allemand, vao jerena ny tarehany dia manaitra avy hatrany, goavana, feno tanjaka, mihaja ary milamina, somary lava tenda ary matanjaka. Lava ny rambony ary mahatratra hatreo amin'ny jarret, miendrika sabatra kosa izy rehefa miakatra kanefa tsy tokony hihoatra ny lamosina, lehibe eo amin'ny fotony ary mihakely eny amin'ny tendrony ary tsy tokony ho be volo. Bokon'ozatra izy raha jerena avy eo anoloana, ary toy izany koa ny sandriny sy ny sorony. Milamina sy mirindra tsara ny famindrany, ary tsy tokony hibitabitaka loatra. Milamina be koa ny volony ary mandry tsara sy fohy

 

Ny firafitry ny vatany, sofina voatapaka io, lahy ilay voalohany ary vavy ny manaraka

Raha jerena avy eto anoloana ny Dogue allemand dia ireny tsangam-bato maneho ireo olona nahery voamariky ny tantara ireny!

Tena tsy azo ekena mihintsy kosa ny tendron-drambo mivaky 2, azo hikipiana ihany kosa ny fisian'ny ergot eo amin'ny tongotra aoriana, ny loko mavo somary milokon-davenona na manompy manga na ny loko mavo tanora mifangaroaro mavo antitra toy ny hoe maloto, toy izany koa ny bringé kanefa dia ny bleu argenté no couleur de fond, na koa ny bleu manompy gris toy ny hoe miofo, tahaka izany ihany koa ny arlequin izay misy pentina gris, bleu na mavo.

Azo ekena saingy tsy iriana kosa ny: fauve sy bringé misy pentina na collier na tongotra na tendrondrambo fotsy, ny dogue allemand fotsy tsy misy pentina izay antsoina hoe albinoseo misy ny karanzan-doko bleu, fauve, bringé izay antsoina hoe procelaine

 

Eto manoratra ho anay