XENA & TEE

Ny Alikanay sy ny tontolony

Tel 034.01.117.99 / 032.45.332.90 / 033.14.239.46 /033.02.622.81

Ampatsakana / Itaosy

Antananarivo Madagascar

                                      

 

                   

                  

Ny alika

Ny amstaff/Pitbull

Ny Dogue allemand

Ny firafiny

Ny lokony

Ny fampanarahana azy

Ny toetrany

Ny fitaizana azy

Fahasalama sy sakafo

Fitandremana tokony atao

FORUM

Ampahafantaro ny hafa ity site ity. Azafady klikeo ny logo eto ambany

 

Raha hitanao fa misy diso ny fanazavana sasany omenay dia azafady mba alefaso aty aminay ny fanintsiana miaraka amin'ny porofo manamarina izany, mba hanatsarana ny site-tsika, fa hahitsinay farak'izay haingana izany mba tsy hanoroana vohona ny hafa, satria izahay dia tsy manam-pahaizana manokana momban'ny alika akory fa olona tia alika fotsiny ary te hifanakalo fahalalana aminao.

Misaotra tompoko

 

 Ao izahay no mitsabo sy manara-maso ny alikanay

 

Raha te hividy na hivarotra na hampanaraka na hanome fotsiny na koa te hampidera fotsiny ny alikanao ianao. Na koa mitady olona afaka ny hikarakara azy rehefa tsy ho eo ianao, na te hanao izany asa izany ianao dia mankanesa eto

NY TOETRANY

Milamina be, namana mahatoky, tsy dia tia vahiny loatra, tia ankizy (na dia izany aza tsy tsara avela irery miaraka aminy), tia manara-body ny tompony, mahazaka fanaintainana (rehefa lehibe) ary mahavita mamoy ny ainy hiaro ny tompony! Tsy mahazaka avela irery, toy ny hoe avela any an-tokotany, na dia goavana aza izy dia mety atao ao an-trano satria sady tsy pelika no be torimaso, tia fandrana, canape, tsy dia be vovo, tsy tia ady, satria koa ny ankabetsahan'ny alika hafa vao mahita ny habehany dia efa misalasala ny hanafika. Somary tsy tia helingelenina indrindra fa rehefa matory ary tena maha-kizitina azy mihintsy io lafiny iray io

NY INDRO KELY

Tsy mahazaka hanoanana na fahavokisana be loatra, mora azon'ny torsion d'estomac, fohy andro hiainana 10 taona eo ho eo, ela loatra vao tsara ampanarahana (eo ho eo amin'ny faha9-18 volana eo ny pemiere chaleur) mahery mihinan-kanina (mety hahalany hena 1,5-2kg isan'andro), somary bebe rarakivy, mafy kaikitra na dia misangy aza, izay no tena hitandremana raha misy ankizy ao antrano, maro anaka be, izany hoe alohan'ny hanana azy dia mila koa mivonona amin'ny fandaniana mety hitranga! Tsy mahay miaro tena raha sendra ireny alika tia ady ireny toy ny Amstaff/Pitbull, Matin de Naples sns. Tsy omby fiara kely (205, R5, 4L, 2CV, Clio, Smart for Two, Mini Cooper, Ford Fiesta sns..) ka manahirana ny mitondra azy any amin'ny veterinera. Sarotra entina amin'ny rojo raha tsy nozarina mbola kely, eritrereto hoe raha sendra mirifatra tampoka, izy 80kg ianao 60kg!! Tena mila fitiavana sy fandavan-tena ny fananana azy

 

 

Eto manoratra ho anay